Tsetratsetra tsy aritra
Tsy atoraka, tsy avilivily, nefa tonga lavitra
10/27,2009
Te-hiteny fotsiny hoe: "milay be!"
Manahoana ny mpitoraka bolongana rehetra.
Tsy hitako izay hanontaniana dia aleo eto no manontany:
Izay mahalala fiten-jatovo hafa ilazana ny toy ny hoe "Milay!", "reveko", "manja", "any zany!" sns , maro be izy any fa tsy tadidy moa koa ny tena tsy zatovo intsony hihihi "manadala be", "lafatra e!" "matsiro hoa", "tena ...", raha mihinan-javatra le olona.
Misaotra mialoha.
Politika | Hevitra (10) | Hametraka hevitra
09/13,2009
Gasy mora ambakaina
Arahabaina daholo aloha ny gasy rehetra fa nihavana (esty ivelana ihany, mbola tsy maty voalavo an-kibo) ireo akoholahy fataka teo amin'ny sehatry ny politika malagasy.
Dia irariana mba hihatsara hatrany ny teo-draharaha eto @ tanàna!!!
Fa izao fotsiny no tiako hasiana teny.
Isika gasy itony aloha dia tena mbola mora ambakaina mihitsy. Mba namangy havana nanerena an'i Madagasikara ny tenako nandritra ny fialan-tsasatra teo. Tany avaratra: Antsohihy, tany antsinanana: Toamasina ary teto an-drenivohitra. Gaga dia gaga ny tenako fa hay efa raiki-pitia amin'i Rajoelina sy Mialy daholo (ie, ny ankamaroany) ny olona. Na ny havako aza dia efa babo dia babon'ireo mpanongam-panjakana ny fon'izy ireo. Dia mba lasa ihany ny saiko. Dia ny mba hany fanamarihana ataoko dia hoe : "Vao maika ho loza ny fiainana eto raha i Rajoelina no milatsaka filoha" (satria efa somary azoko antoka ny hahalany azy iny, midika izany fa raha milatsaka iny dia lany ho azy). Fa maninona hoy ianareo. Jereo ny fahitalavitra, iza ny olona miseho matetika ao: i Mialy Rajoelina. Lasa ohatry ny Miss Mada mihitsy ikala anona iny. Manao fitetezam-paritra sahala amin'i Hillary Clinton hihihi, ohatry ny hoe izy no sekretaram-panjakana misahana ny vahoaka. Fa dia jereo ange ny fandraisan'olona azy e. Nefa dia savony kely sy lamba firakotra kely no zarainy amin'ireny dia mandihy daholo ny tambaoakisa mianakavy, fa indrindra moa fa ireo havan'i Roindefo any atsimo . EFA FAMPIELEZAN-KEVITRA MIALOHAN'NY FOTOANA TOKONY HANOMBOHANA, mangalatra depart hoy ny kilonga. Tena izany mihitsy.
Dia izao no mahamora ambakaina an'i Gasikely. Manongam-panjakana i Balita, dia tsy mihinana menaka i Gasikely, lasa niharatsy noho ilay fiana efa ratsy teo ny fiainany fa tapaka daholo ny fanampiana avy any ivelany. Dia alefan'i Balita avy eo ny vadiny hizara menaka sy savony ary bodofotsy (na dia tany mafana be efa ho 40 degire tsy ilana bodofotsy akory aza no misy ireo vahoaka mdrrr). Faly be i Gasikely ary misaosaotra ery hoe "Tena misaotra fa nanavotra anay tamin'ny sarotra ianao Madama". Dia milatsaka hofidiana avy eo i Balita, dia nifidy azy i Gasikely, tsy vitan'izay fa namporisihiny hifidy an'i Balita daholo ny havany aman-tsakaizany satria manko ireo nahazo sombiny kely tamin'ilay menaka nozaraiana (sady efa lany ihany koa): "Filio ry kahy i Balita. Lehe ie ro lany filoha le voky menaky antikagny!".
Efa fantatsika ny ho tohin'ny tantara. Lany Rajoelina dia na ny singam-bolony na iray aza tsy ho any Androy. Mbola ho matin'ny kere foana ny any atsimo, fa Rajoelina indray hiadana ao amin'ny lampam-panjakana ary higalabona amin'ny volam-panjakana. Mbola tsy lany ho filoha aza efa misy an'izany manao "weekend en amoureux" atsy amin'ny Nosy Maorisy izany ka vao maika lany eo dia veloma ry tantsha kely sy ry tambaokisa isany, ny vato nalatsakao nahalana azy tsy hay averina intsony.
Foa Foa Aza misy anie izany... matesa alohan'ny fifidianana ry tsy vanona ty...
Politika | Hevitra (4) | Hametraka hevitra
05/30,2009
Vary ihany no hanina : Proudly Malagasy
Izao vao mba mandray anjara @ ity lalao mahafinaritra ity. Misaotra hoan'izay namorona azy.
NY ahy indray die ilay VARY no tena maha-malagasy ahy. Tena tsy laitran'ny vavoniko raha vao sakafo hafa izany.
Tantara kely: t@ vao niditra niasa dia nentin'ny Manager sy ny mpiara-miasa nisakafo tany @ resto dia inona fa vary sy laoka hena no nosafidiko. Hitako gaga tery ry zareo fa hozy aho tsy nankasarotra hoe : ''Ben chez nous on mange du riz trois fois par jour".
Fa izany eo ihany, fa ny sakafo gasy aloha tsy haha-obèse anao izany mihitsy. Variana ery ny mpiara-miasa fa tsy mety matavy be ny tena na dia laoka sy vary eran'ny lovia aza no hanina. Izy rehetra anefa, biscuit sy tsakotsako amuse-gueule kely no haniny nefa lasa matavy be ohatry ny inona, sahirana ery manao izay hanahiazana tena fa indrindra ny tavin-kibo fa tsy tafa mihitsy. Aleoko ihany ny ahy hoy aho anakam-po. Dia asiako dihy kely fa tsy aerobic aloha androany. Ny vazo gasy mihetsika tsara ampy hanahiazna tena. Hafa ihany NY ATY!!!
Valin-tagy | Hevitra (6) | Hametraka hevitra
05/24,2009
Hilatsaka ho filoha sa tsy hilatsaka???
Efa fantampantatry ny maro ihany angamba hoe iza no kasain’ny mpanongam-panjakana hapetraka ho filoha eto Madagasikara. Efa tonga eto an-toerana rahateo koa moa io olona io. Araky ny vaovao novakiana tetsy sy teroa dia toa hoe mikatso ny fifanakalozan-kevitra tarihin’ireo mpanelanelana vahiny tonga hampihavana ny Malagasy ((UA, ONU, OIF, SADEC), ary tsy nisy ny marimaritra iraisana momba ny sata hifehy ny FAT sy ny karazana olona hahazo alalana hilatsaka hofidina ho filoha. Fa i TGV moa efa nametraka fepetra mialoha fa tsy hilatsaka ny tenany raha tsy milatsaka Atoa Ravalomanana. Midika izany fa olon-kafa mihitsy no tian’ny FAT sy notetehiny hatao filoha; ary tena hita mibaribary izao fa tetika efa maty paika novolavolaina efa hatry ny ela ity fanonganam-panjakana ity.
Manambara ny andininy fahaefatra amin’ilay zavatra (principes d'un accord politique inclusif ) fa ….’’tous ceux qui ont assumé les fonctions de chef d'Etat - y compris celui de la transition - ne pourront se présenter aux élections tout comme d'ailleurs les membres du gouvernement de transition’’ ; mazava fa tsy mahazo milatsaka ho fidiana intsony ireo filoha teo aloha rehetra, ka anisan’izany i Ratsiraka, Zafy Albert ary i Ravalomanana. Ary raha atao ny famakafakana dia i Ravalomanana no tiana hosakanana tsy ho lasa filoha intsony satria azo antoka zato isan-jato fa tsy ho lany iretsy roa voalohany na dia avela hilatsaka eo aza. Ny tantara dia mbola mitohy…. Hay efa namadika palitao koa ilay ranamana taloha iny !!! Sao mba horeraka sahala amin’ny Rossy ao amin’ny FAT ao lahy … tsy aleo ihany mijanona ho mpanakanto na dia mitsipozipozy aza.Politika | Hevitra (6) | Hametraka hevitra
05/02,2009
Vatsim-pianarana any Shanghai
Bourses d’étude du Gouvernement de Shanghai pour les étudiants venant du monde entier.
I. Types et nombres de bourses à offrir. Les Bourses sont divisées en Type A et Type B.Type A, en tant que bourse complète, couvre le frais d’études, l'équipement scolaire en général, l'hébergement; elle fournit une assurance pour les maladies et accidents graves ; une allocation de vie est offerte mensuellement :1700 RMB pour les étudiants de Maîtrise et 2000 RMB pour les étudiants de Doctorat. Elle sera offerte aux demandeurs de bourses d’études en Maîtrise et supérieures. Le nombre de bourses à offrir est de 10 chaque année.Type B est une bourse partielle, incluant le frais d'études, l’équipement scolaire en général et l’hébergement.Elle sera offerte aux demandeurs de bourses d’études en maîtrise et supérieures. Le nombre de bourses à offrir est de 6 chaque année.
II. Qualification :
1. Citoyens de nationalités étrangères et en bonne santé ; 2. Se conformer aux lois, règles, réglementations du gouvernement chinois et aux cadres réglementaires universitaires.
3. Etudier avec bonne volonté et obtenir des bons résultats; 4. Les demandeurs de bourses pour le doctorat doivent avoir déjà obtenu un diplôme de maîtrise et doivent avoir moins de 40 ans ;Les demandeurs de bourses pour le Maîtrise doivent avoir déjà obtenu un diplôme de licence et doivent avoir moins de 35 ans ;Les étudiants n'auront plus droit à une autre bourse offerte par le gouvernement chinois durant la même période.
III. Documents requis1. Deux copies du formulaire de demande de bourse « Application Form of Shanghai Government Scholarship for International Students”. Le formulaire peut être téléchargé depuis le site Web de IES : http://www.ies.edu.cn/ 2. Traductions en Chinois ou Anglais, certifiées des diplômes et relevés de notes certifiés. 3. Mots personnels (dissertation) avec pas moins de 1000 mots pour les demandeurs de bourses en maîtrise et 1500 pour les demandeurs de bourses en doctorat. Le contenu doit couvrir les bases académiques, les exploits académiques, les expériences professionnelles et le plan des études en maîtrise ou doctorat envisagées, objectifs personnels à la fin des études et après l'obtention de votre diplôme, etc.4. Titre de thèse déjà publiée, son extrait et autres certificats et matériels pouvant attester vos exploits académiques et votre capacité à mener des recherches; 5. Lettres de recommandation de la part de deux professeurs ou professeurs assistants.
6. Formulaire des examens médicaux, à télécharger http://www.ietju.com/document/tj.doc
IV. Période de la demande: Les demandeurs doivent faire leur demande de bourse avant le 15 Mai de chaque année.
V. Evaluation : Les demandeurs doivent envoyer les dossiers de demande directement à School of International Education, ECUST. IES confirmera la validité des dossiers de demande de bourses et les enverra aux Universités correspondants pour être évalués et les reprendra après. La comité d’évaluation des dossiers pour l’octroi des bourses, IES Student Scholarship Evaluation Committee, s'occupera de l'évaluation de vos dossiers. Les résultats des évaluations seront annoncés durant la moitié du mois de Juin et une notification d’octroi de bourse sera envoyée aux bénéficiaires.
VI. InscriptionLes bénéficiaires de bourse doivent s’inscrire à temps à l’université, sinon la bourse leur sera retiré et le demandeur sera considéré comme ayant abandonné automatiquement les études.
VII. L’université soumettra des copies du dossier de demande au Comité de l'Education de Shanghai pour l'inscription un mois après l'évaluation.Plus d'info sur les bourses et les demandes, visiter :