Tsetratsetra tsy aritra
Tsy atoraka, tsy avilivily, nefa tonga lavitra
04/14,2010
Mifamely ny foza!
Miala any ny vaovao tsara, faly anie aho izany ka faly e, hifarana ihany ity tantara ity, kely sisa, oe, oe, oeeeeeeeeeeeeee!!!
Politika | Hevitra (9) | Hametraka hevitra
03/17,2010
Valin'ilay resaka Daewoo
Tsy nety tafiditra ny tsikerako, ary atahorako tsy hiseho, na tsy haseho, mihitsy dia aleoko nanaovako lahatsoratra hafa mihitsy.
Izao kosa no fahitako azy.
Lease = Fanofana = Location à bail.
Ilay tany tsy hoe "navarotra" dia lasan'ny Daewoo sy Varun fa nampanofaina, midika izany fa mbola antsika ihany satria mbola eto Madagasikara fa tsy nobatain'ny vahiny nentiny any aminy na ho lasa fananany mandrakizay. Ny "FANOFANA TANY", na koa ilay antsoin'ny tantsaha hoe "MITELO"(an'ny tompon-tany ny 2/3 na 1/3-ny vokatra) na "MISASAKA" (an'ny tompon-tany ny antsasaky ny vokatra), na ny manofa amin'ny alalan'ny fanomezam-bola ny tompon-tany dia efa fomba fanaon'ny mpamboly Malagasy hatrizay. Fa rehefa miditra politika fotsiny ilay izy dia lasa hafa no andraisana azy. Amiko tokony niady varotra tsara fotsiny ny mpitondra fanjakana teo aloha hoe aleo anay ny ampahany amin'ny vokatra, na nanao fitsapan-kevim-bahoaka alohan'ny nampanofaina an'ilay tany. Fa raha araka ny voalaza manko dia tany karakaina tsy misy mpamboly, tsy dia mamokatra sy sarotra ambolena raha tsy amin'ny alalan'ny fampiasana teknolojia avo lenta sns..., tsy tany volen'ny tantsaha Malagasy ilay izy. Maro koa moa ny lainga aparitaky ny sasany mba hampirotaka ny Malagasy ka hitenentsika hoe "aza avidy, aza avarotra ny tanindrazana". Zavatra azo fantarina izany, izaho aloha mbola tsy naheno na tantsaha iray aza niteny na nitory tany amin'ny fitsarana hoe nalain'ny fanjakana teo aloha (homena an'ny Daewoo) ny taniny, midika izany fa "tanim-panjakana" ilay izy ka azony ampiasaina amin'izay mety ilana azy.
Ka raha io fanofana tany io no hampandroso an'ity Gasikara dia maninona moa no tsy atao. Tsy hitako izay maharatsy an'izany, ny hany fantatro aloha araka ny hitako any am-banivohitra dia ny tompon-tany foana, izany hoe isika Malagasy ihany, no hahazo tombony amin'izany nefa ny hafa no mampiasa ny volany hamokarana eo amin'ny tanintsika, ary mbola maro koa ny tombontsoa ho azontsika amin'izany: toy ny fisian'asa, fisian-kanina, sns...
Ny hisy izao dia hanao an'io ihany ny FAT fa mbola afenina aloha, satria izany zavatra namelezana ny teo aloha, fa rehefa milamina ny tanàna sy ny tantara dia aroso amin'izay ilay fifanarahana amin'ny Daewoo na ny Nosy Maorisy na firenena arabo sns.
Indraimipika | Hevitra (16) | Hametraka hevitra
02/22,2010
21 Febroary - Very aho lelako ô!
Ny 21 Febroary dia
Raha tokony ho izy izany, ho ahy manokana, dia tokony tsy niteny afa-tsy ny tenim-pireneko dia ny teny Malagasy aho omaly, fa tsy tafa mihitsy. Na niresaka tamin'ny gasy miteny gasy aza dia mbola tafateny tenim-bahiny ihany.
Tsy gasy lela intsony?
Indraimipika | Hevitra (5) | Hametraka hevitra
01/21,2010
Tsy tafandry intsony
Tratry ny Asaramanitra daholo ry
Tononkalo tsy dia ary fomba no ndeha hatolotro etoana. Mba nanana aingam-panahy kely manko i Zafintaolo androany. Mazava dia mazava hoe iza no resahina eto.
Tsy tafandry intsony aho!!!
Natsiro tery ny fiainako taloha.
Naniry ho mera aho, dia lany mera;
Faly ery tamin’zay nanao dom-bera.
Naniry ho filoha aho, dia lasa filoha;
Azoko mora ny sezan’lay teo aloha.
Saingy tsy nampoiziko:
Feno korontana ny nofiko,
Misokatra anaty haizina ny masoko.
Inona no hatao? F’inona 'ty nataoko?
Naniry ny hitarika aho ka izao, enjehina avy ao aoriana.
Toa tsy ho zakako intsony izy ’ty, aoka fa tena fahoriana!
Hiteny hoe avelao aho, hay moa efa niteny hoe tohano aho,
Hiteny hoe mandehana any, aiô k'efa niteny hoe araho aho.
Ny mpanaraka ahy misarangotra, mitaky ny anjarany.
Ny mpanohitra ahy tsy reraka, mamely hatrany hatrany.
’Reo rehetra azo ilana vonjy, indrisy fa lasa, nandao ahy.
Tena reraka ny saiko, ry lanitro ô , ’ty ’zaho lany fanahy.
Niriko ho ahy ny toerana farany ambony, azoko.
Niriko honenana ny lapa farany tsara, azoko.
Fa 'zao aho lasa tsy ampy tory, malazolazo,
Toa ho tapaka 'ty tetezana, toa boboka fa hazo.
Nirina Sokina Nananibato
Politika | Hevitra (7) | Hametraka hevitra
11/23,2009
Antso avo: omeo tà nana
Miarahaba ny mpitoraka bolongana rehetra.
Misy tetikasa iray ataona fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin'ny fanjakana, mizara solosaina XO ho an'ny ankizy mpianatra eto Madagasikara, ao anatin'ilay tetik'asa "solosaina iray isaky ny ankizy". Efa misy solosaina tonga aty Madagasikara ary efa maro ny ankizy no nahazo ny anjarany. http://olpc-france.org/blog/2009/08/
Irin'ireo tompon'andraikitra momba izany hadika amin'ny teny gasy iray manontolo (na izay rehetra azo adika) ny mombamomba ilay solosaina sy ny rindran'asa rehetra ao anatiny.
Tsy terena ny fandraisana anjara, fa izay mazoto ka mba manam-potoana dia iangaviana mba hanome tànana, na fehezanteny iray isan'andro aza no vitany dia efa asa soa fitsimbinana ny ankizy mpianatra Malagasy izay.
Raha te-hisoratra anarana dia tsindrio ny rohy: http://translate.sugarlabs.org/register.html
Raha te-handray anjara amin'ny fandikan-teny dia tsindrio ny rohy: http://translate.sugarlabs.org/mg
Teny anglisy no teny iaingana, ary tsy sarotra ho an'izay efa zatra mampiasa sy mandre voambolana momba ny informatika izany.
Isaorana mialoha ny mpandray anjara rehetra na ny havitrika na ny hiserantserana.