Tsetratsetra tsy aritra

Tsy atoraka, tsy avilivily, nefa tonga lavitra

09/13,2009

Gasy mora ambakaina

Nampidirin'i zafintaolo : 11:17


 

Arahabaina daholo aloha ny gasy rehetra fa nihavana (esty ivelana ihany, mbola tsy maty voalavo an-kibo) ireo akoholahy fataka teo amin'ny sehatry ny politika malagasy.

Dia irariana mba hihatsara hatrany ny teo-draharaha eto @ tanàna!!!

Fa izao fotsiny no tiako hasiana teny.

Isika gasy itony aloha dia tena mbola mora ambakaina mihitsy. Mba namangy havana nanerena an'i Madagasikara ny tenako nandritra ny fialan-tsasatra teo. Tany avaratra: Antsohihy, tany antsinanana: Toamasina ary teto an-drenivohitra. Gaga dia gaga ny tenako fa hay efa raiki-pitia amin'i Rajoelina sy Mialy daholo (ie, ny ankamaroany) ny olona. Na ny havako aza dia efa babo dia babon'ireo mpanongam-panjakana ny fon'izy ireo. Dia mba lasa ihany ny saiko. Dia ny mba hany fanamarihana ataoko dia hoe : "Vao maika ho loza ny fiainana eto raha i Rajoelina no milatsaka filoha" (satria efa somary azoko antoka ny hahalany azy iny, midika izany fa raha milatsaka iny dia lany ho azy). Fa maninona hoy ianareo. Jereo ny fahitalavitra, iza ny olona miseho matetika ao: i Mialy Rajoelina. Lasa ohatry ny Miss Mada mihitsy ikala anona iny. Manao fitetezam-paritra sahala amin'i Hillary Clinton hihihi, ohatry ny hoe izy no sekretaram-panjakana misahana ny vahoaka. Fa dia jereo ange ny fandraisan'olona azy e. Nefa dia savony kely sy lamba firakotra kely no zarainy amin'ireny dia mandihy daholo ny tambaoakisa mianakavy, fa indrindra moa fa ireo havan'i Roindefo any atsimo . EFA FAMPIELEZAN-KEVITRA MIALOHAN'NY FOTOANA TOKONY HANOMBOHANA, mangalatra depart hoy ny kilonga. Tena izany mihitsy.

Dia izao no mahamora ambakaina an'i Gasikely. Manongam-panjakana i Balita, dia tsy mihinana menaka i Gasikely, lasa niharatsy noho ilay fiana efa ratsy teo ny fiainany fa tapaka daholo ny fanampiana avy any ivelany. Dia alefan'i Balita avy eo ny vadiny hizara menaka sy savony ary bodofotsy (na dia tany mafana be efa ho 40 degire tsy ilana bodofotsy akory aza no misy ireo vahoaka mdrrr). Faly be i Gasikely ary misaosaotra ery hoe "Tena misaotra fa nanavotra anay tamin'ny sarotra ianao Madama". Dia milatsaka hofidiana avy eo i Balita, dia nifidy azy i Gasikely, tsy vitan'izay fa namporisihiny hifidy an'i Balita daholo ny havany aman-tsakaizany satria manko ireo nahazo sombiny kely tamin'ilay menaka nozaraiana (sady efa lany ihany koa): "Filio ry kahy i Balita. Lehe ie ro lany filoha le voky menaky antikagny!". 

Efa fantatsika ny ho tohin'ny tantara. Lany Rajoelina dia na ny singam-bolony na iray aza tsy ho any Androy. Mbola ho matin'ny kere foana ny any atsimo, fa Rajoelina indray hiadana ao amin'ny lampam-panjakana ary higalabona amin'ny volam-panjakana. Mbola tsy lany ho filoha aza efa misy an'izany manao "weekend en amoureux" atsy amin'ny Nosy Maorisy izany ka vao maika lany eo dia veloma ry tantsha kely sy ry tambaokisa isany, ny vato nalatsakao nahalana azy tsy hay averina intsony.

Foa Foa Aza misy anie izany... matesa alohan'ny fifidianana ry tsy vanona ty... 

Hevitra (4) | Verindrohy (trackback) (0) | Politika


Hevitra


Hametraka hevitra