Tsetratsetra tsy aritra
Tsy atoraka, tsy avilivily, nefa tonga lavitra
05/24,2009
Hilatsaka ho filoha sa tsy hilatsaka???
Nampidirin'i zafintaolo :
18:23
Efa fantampantatry ny maro ihany angamba hoe iza no kasain’ny mpanongam-panjakana hapetraka ho filoha eto Madagasikara. Efa tonga eto an-toerana rahateo koa moa io olona io. Araky ny vaovao novakiana tetsy sy teroa dia toa hoe mikatso ny fifanakalozan-kevitra tarihin’ireo mpanelanelana vahiny tonga hampihavana ny Malagasy ((UA, ONU, OIF, SADEC), ary tsy nisy ny marimaritra iraisana momba ny sata hifehy ny FAT sy ny karazana olona hahazo alalana hilatsaka hofidina ho filoha. Fa i TGV moa efa nametraka fepetra mialoha fa tsy hilatsaka ny tenany raha tsy milatsaka Atoa Ravalomanana. Midika izany fa olon-kafa mihitsy no tian’ny FAT sy notetehiny hatao filoha; ary tena hita mibaribary izao fa tetika efa maty paika novolavolaina efa hatry ny ela ity fanonganam-panjakana ity.
Manambara ny andininy fahaefatra amin’ilay zavatra (principes d'un accord politique inclusif ) fa ….’’tous ceux qui ont assumé les fonctions de chef d'Etat - y compris celui de la transition - ne pourront se présenter aux élections tout comme d'ailleurs les membres du gouvernement de transition’’ ; mazava fa tsy mahazo milatsaka ho fidiana intsony ireo filoha teo aloha rehetra, ka anisan’izany i Ratsiraka, Zafy Albert ary i Ravalomanana. Ary raha atao ny famakafakana dia i Ravalomanana no tiana hosakanana tsy ho lasa filoha intsony satria azo antoka zato isan-jato fa tsy ho lany iretsy roa voalohany na dia avela hilatsaka eo aza. Ny tantara dia mbola mitohy…. Hay efa namadika palitao koa ilay ranamana taloha iny !!! Sao mba horeraka sahala amin’ny Rossy ao amin’ny FAT ao lahy … tsy aleo ihany mijanona ho mpanakanto na dia mitsipozipozy aza.Hevitra (6) | Verindrohy (trackback) (0) | Politika