Tsetratsetra tsy aritra

Tsy atoraka, tsy avilivily, nefa tonga lavitra

04/14,2010

Mifamely ny foza!

Miala any ny vaovao tsara, faly anie aho izany ka faly e, hifarana ihany ity tantara ity, kely sisa, oe, oe, oeeeeeeeeeeeeee!!!

 

 

Elaela aho izay tsy nanoratra, efa nanomboka ho kivy ihany manko ny tena noho ny zava-misy eto amin’ity tany malala. Fa androany indray aho, nahita vaovao tsara, ka maika ery hanoratra hahahaha!

 

 

Ramonja aloha iny efa lasa, voadaka be, ny lefony ihany no nahavoa azy.

 

 

Dia izao fa miady ny mpinamana roalahy, milay be, tsy nisy nampiady fa izy samy izay ihany no nifanisy, hihihihi, milay be, oe, oe, oeeeeeeeeeeeee!!!

 

 

Hay ve ka izao e : “Par ailleurs, il existe actuellement un problème de commandement au sein de la FIS. Les deux lieutenants-colonels, Charles Andrianasoavina et René Lylison ne s'entendent plus. Cette mésentente trouve sa source au niveau des personnes composant la FIS. En septembre 2009, le lieutenant-colonel Charles Andrianasoavina a limogé 16 membres de la FIS. Mais le Lieutenant-colonel René  les a réintégrés par la suite. Le vase a débordé lorsque ce samedi 10 avril 2010, certains éléments de la FIS ont accusé  Charles Andrianasoavina de fomenter un coup d'Etat. "C'est grâce à moi que Andry Rajoelina est arrivé à sa place actuelle. Ce n'est pas moi qui irai le renverser aujourd'hui", a dit le lieutenant-colonel Charles Andrianasoavina pour sa défense. Ce dernier a affirmé que ce samedi, il a lancé cette rumeur pour tester la valeur morale des 16 éléments de la  FIS réintégrés par René Lylison. »

 

 

Raha izao no mitohy dia ho lasa tahaka an’i Dadis Camara ihany Rajoelina. Ny mpanohana azy ihany no hivadika aminy rehefa tsy faly amin'ny ataony. Izao Ra-Dadis tsy rere intsony.

 

 

Andeha hiverena hiresaka ireo « compagnon d’arme »n-dRajoelina.

 

 

Nesorina tamin’ny toerany ny minisitra (petatoko) Noël Rakotonandrasana, voaendrikendrika ho nanomana fanonganam-panjakana, oeeeeeeeeeeeeee!!!

 

 

Alefa alefa e, izahay mitazana fotsiny ka, sady tsy manana basy rahateo koa moa, dia lalaovy ny basinareo ary e!!!

 

 

Tena milay hoy aho ny fandehan’ny raharaha , tena milay, tohizo tohizo hatrany, fa izay ihany no hampandroso an’ity Gasikara.

 

 

Kotofesty sy Mahaka ny FAT mianakavy, samy mifamely eo, efa mivaralila sahady, mbola ho aiza ity hahazo...

 

 

Kely sisa...

 

 

Politika | Hevitra (9) | Hametraka hevitra

01/21,2010

Tsy tafandry intsony

Tratry ny Asaramanitra daholo ry havana malala!!!

 

Tononkalo tsy dia ary fomba no ndeha hatolotro etoana. Mba nanana aingam-panahy kely manko i Zafintaolo androany. Mazava dia mazava hoe iza no resahina eto.

 

 

 

Tsy tafandry intsony aho!!!

 

Natsiro tery ny fiainako taloha.

Tara vao natory, tara vao nifoha.

 

Naniry ho mera aho, dia lany mera;

Faly ery tamin’zay nanao dom-bera.

Naniry ho filoha aho, dia lasa filoha;

Azoko mora ny sezan’lay teo aloha.

 

Saingy tsy nampoiziko:

Feno korontana ny nofiko,

Misokatra anaty haizina ny masoko.

Inona no hatao? F’inona 'ty nataoko?

 

Naniry ny hitarika aho ka izao, enjehina avy ao aoriana.

Toa tsy ho zakako intsony izy ’ty, aoka fa tena fahoriana!

Hiteny hoe avelao aho, hay moa efa niteny hoe tohano aho,

Hiteny hoe mandehana any, aiô k'efa niteny hoe araho aho.

 

 

Ny mpanaraka ahy misarangotra, mitaky ny anjarany.

Ny mpanohitra ahy tsy reraka, mamely hatrany hatrany.

’Reo rehetra azo ilana vonjy, indrisy fa lasa, nandao ahy.

Tena reraka ny saiko, ry lanitro ô , ’ty ’zaho lany fanahy.

 

Niriko ho ahy ny toerana farany ambony, azoko.

Niriko honenana ny lapa farany tsara, azoko.

Fa 'zao aho lasa tsy ampy tory, malazolazo,

Toa ho tapaka 'ty tetezana, toa boboka fa hazo.

 

 

                                                Nirina Sokina Nananibato

 

 

 

 

 

Politika | Hevitra (7) | Hametraka hevitra

10/27,2009

Te-hiteny fotsiny hoe: "milay be!"

Manahoana ny mpitoraka bolongana rehetra.

Tsy hitako izay hanontaniana dia aleo eto no manontany:

 Izay mahalala fiten-jatovo hafa ilazana ny toy ny hoe "Milay!", "reveko", "manja", "any zany!" sns , maro be izy any fa tsy tadidy moa koa ny tena tsy zatovo intsony hihihi "manadala be", "lafatra e!" "matsiro hoa", "tena ...", raha mihinan-javatra le olona.

 

Misaotra mialoha.

Politika | Hevitra (10) | Hametraka hevitra

09/13,2009

Gasy mora ambakaina


 

Arahabaina daholo aloha ny gasy rehetra fa nihavana (esty ivelana ihany, mbola tsy maty voalavo an-kibo) ireo akoholahy fataka teo amin'ny sehatry ny politika malagasy.

Dia irariana mba hihatsara hatrany ny teo-draharaha eto @ tanàna!!!

Fa izao fotsiny no tiako hasiana teny.

Isika gasy itony aloha dia tena mbola mora ambakaina mihitsy. Mba namangy havana nanerena an'i Madagasikara ny tenako nandritra ny fialan-tsasatra teo. Tany avaratra: Antsohihy, tany antsinanana: Toamasina ary teto an-drenivohitra. Gaga dia gaga ny tenako fa hay efa raiki-pitia amin'i Rajoelina sy Mialy daholo (ie, ny ankamaroany) ny olona. Na ny havako aza dia efa babo dia babon'ireo mpanongam-panjakana ny fon'izy ireo. Dia mba lasa ihany ny saiko. Dia ny mba hany fanamarihana ataoko dia hoe : "Vao maika ho loza ny fiainana eto raha i Rajoelina no milatsaka filoha" (satria efa somary azoko antoka ny hahalany azy iny, midika izany fa raha milatsaka iny dia lany ho azy). Fa maninona hoy ianareo. Jereo ny fahitalavitra, iza ny olona miseho matetika ao: i Mialy Rajoelina. Lasa ohatry ny Miss Mada mihitsy ikala anona iny. Manao fitetezam-paritra sahala amin'i Hillary Clinton hihihi, ohatry ny hoe izy no sekretaram-panjakana misahana ny vahoaka. Fa dia jereo ange ny fandraisan'olona azy e. Nefa dia savony kely sy lamba firakotra kely no zarainy amin'ireny dia mandihy daholo ny tambaoakisa mianakavy, fa indrindra moa fa ireo havan'i Roindefo any atsimo . EFA FAMPIELEZAN-KEVITRA MIALOHAN'NY FOTOANA TOKONY HANOMBOHANA, mangalatra depart hoy ny kilonga. Tena izany mihitsy.

Dia izao no mahamora ambakaina an'i Gasikely. Manongam-panjakana i Balita, dia tsy mihinana menaka i Gasikely, lasa niharatsy noho ilay fiana efa ratsy teo ny fiainany fa tapaka daholo ny fanampiana avy any ivelany. Dia alefan'i Balita avy eo ny vadiny hizara menaka sy savony ary bodofotsy (na dia tany mafana be efa ho 40 degire tsy ilana bodofotsy akory aza no misy ireo vahoaka mdrrr). Faly be i Gasikely ary misaosaotra ery hoe "Tena misaotra fa nanavotra anay tamin'ny sarotra ianao Madama". Dia milatsaka hofidiana avy eo i Balita, dia nifidy azy i Gasikely, tsy vitan'izay fa namporisihiny hifidy an'i Balita daholo ny havany aman-tsakaizany satria manko ireo nahazo sombiny kely tamin'ilay menaka nozaraiana (sady efa lany ihany koa): "Filio ry kahy i Balita. Lehe ie ro lany filoha le voky menaky antikagny!". 

Efa fantatsika ny ho tohin'ny tantara. Lany Rajoelina dia na ny singam-bolony na iray aza tsy ho any Androy. Mbola ho matin'ny kere foana ny any atsimo, fa Rajoelina indray hiadana ao amin'ny lampam-panjakana ary higalabona amin'ny volam-panjakana. Mbola tsy lany ho filoha aza efa misy an'izany manao "weekend en amoureux" atsy amin'ny Nosy Maorisy izany ka vao maika lany eo dia veloma ry tantsha kely sy ry tambaokisa isany, ny vato nalatsakao nahalana azy tsy hay averina intsony.

Foa Foa Aza misy anie izany... matesa alohan'ny fifidianana ry tsy vanona ty... 

Politika | Hevitra (4) | Hametraka hevitra

05/24,2009

Hilatsaka ho filoha sa tsy hilatsaka???



Efa fantampantatry ny maro ihany angamba hoe iza no kasain’ny mpanongam-panjakana hapetraka ho filoha eto Madagasikara. Efa tonga eto an-toerana rahateo koa moa io olona io. Araky ny vaovao novakiana tetsy sy teroa dia toa hoe mikatso ny fifanakalozan-kevitra tarihin’ireo mpanelanelana vahiny tonga hampihavana ny Malagasy ((UA, ONU, OIF, SADEC), ary tsy nisy ny marimaritra iraisana momba ny sata hifehy ny FAT sy ny karazana olona hahazo alalana hilatsaka hofidina ho filoha. Fa i TGV moa efa nametraka fepetra mialoha fa tsy hilatsaka ny tenany raha tsy milatsaka Atoa Ravalomanana. Midika izany fa olon-kafa mihitsy no tian’ny FAT sy notetehiny hatao filoha; ary tena hita mibaribary izao fa tetika efa maty paika novolavolaina efa hatry ny ela ity fanonganam-panjakana ity.

 Manambara ny andininy fahaefatra amin’ilay zavatra (principes d'un accord politique inclusif )  fa ….’’tous ceux qui ont assumé les fonctions de chef d'Etat - y compris celui de la transition - ne pourront se présenter aux élections tout comme d'ailleurs les membres du gouvernement de transition’’ ; mazava fa tsy mahazo milatsaka ho fidiana intsony ireo filoha teo aloha rehetra, ka anisan’izany i Ratsiraka, Zafy Albert ary i Ravalomanana. Ary raha atao ny famakafakana dia i Ravalomanana no tiana hosakanana tsy ho lasa filoha intsony satria azo antoka zato isan-jato fa tsy ho lany iretsy roa voalohany na dia avela hilatsaka eo aza. Ny tantara dia mbola mitohy…. Hay efa namadika palitao koa ilay ranamana taloha iny !!! Sao mba horeraka sahala amin’ny Rossy ao amin’ny FAT ao lahy … tsy aleo ihany mijanona ho mpanakanto na dia mitsipozipozy aza.

Politika | Hevitra (6) | Hametraka hevitra

04/22,2009

Lalàna vao navoaky ny HAT: “Raràna ny manao fihetsiketsehena”



 (tohiny)

Politika | Hevitra (6) | Hametraka hevitra