Tsetratsetra tsy aritra
Tsy atoraka, tsy avilivily, nefa tonga lavitra
05/30,2009
Vary ihany no hanina : Proudly Malagasy
Nampidirin'i zafintaolo :
18:33
Izao vao mba mandray anjara @ ity lalao mahafinaritra ity. Misaotra hoan'izay namorona azy.
NY ahy indray die ilay VARY no tena maha-malagasy ahy. Tena tsy laitran'ny vavoniko raha vao sakafo hafa izany.
Tantara kely: t@ vao niditra niasa dia nentin'ny Manager sy ny mpiara-miasa nisakafo tany @ resto dia inona fa vary sy laoka hena no nosafidiko. Hitako gaga tery ry zareo fa hozy aho tsy nankasarotra hoe : ''Ben chez nous on mange du riz trois fois par jour".
Fa izany eo ihany, fa ny sakafo gasy aloha tsy haha-obèse anao izany mihitsy. Variana ery ny mpiara-miasa fa tsy mety matavy be ny tena na dia laoka sy vary eran'ny lovia aza no hanina. Izy rehetra anefa, biscuit sy tsakotsako amuse-gueule kely no haniny nefa lasa matavy be ohatry ny inona, sahirana ery manao izay hanahiazana tena fa indrindra ny tavin-kibo fa tsy tafa mihitsy. Aleoko ihany ny ahy hoy aho anakam-po. Dia asiako dihy kely fa tsy aerobic aloha androany. Ny vazo gasy mihetsika tsara ampy hanahiazna tena. Hafa ihany NY ATY!!!
Hevitra (6) | Verindrohy (trackback) (0) | Valin-tagy