Tsetratsetra tsy aritra

Tsy atoraka, tsy avilivily, nefa tonga lavitra

04/18,2009

Raikitra teo amin'ny kamasotra


Tantara nadika avy tamin'ny lahatsoratra an-gazety iray izy ity.

Mampihomehy no sady ezahina avoaka eto mba hampitandremana ny sasany tsy hanao toa izao na hitandrina rehefa manao toa izao.

"Tany Rosia. Nisy mpivady na mpifankatia izay voatery nampidirina hopitaly satria raikitra teo am-panaovana kamasotra na dia efa niezaka mafy ny hiala raikitra aza.

(Mahamenatra fa olo-dehibe no mbola ...hum)

"Lehilahy sy vehivavy mihoatra ny 50 taona naniry hanandrana zava-baovao, nanaraka ny toro-làlana fanaovana izany tao amin'ny bokikely kamasotra efa tonta, no kanjo raikitra teo am-panaovana ny iray amin'ireo pôzy. Tonga tany amin'ny lanitra fahafito moa ramatoa ka nikaitoka ny fivaviany ka raikitra tao ny an-drangahy. Adiny 2 be izao izy ireo no nitsipatsipaka niezaka ny hiala raikitra nefa tsy tafavoaka mihitsy. Hany heriny dia niantso "ambulance" (soa fa tsy lavitra ny telefaonina an-tariby)

Ohatrohatr'izay rehefa adika ilay izy.

Tetsyteroa | Hevitra (6) | Hametraka hevitra