Tsetratsetra tsy aritra

Tsy atoraka, tsy avilivily, nefa tonga lavitra

04/28,2009

Hairaham-bika


Hairaham-bika (aérobic) azo atao ao an-trano

 

Ho an’izay te-hihetsika nefa tsy afaka mivoaka ny trano. Lafo ihany koa moa ny mandeha amin’ireny toerana fianarana fanatanjahan-tena sy hairaham-bika isan-karazany ireny, ao ny vola aloa isam-bolana, ny saram-pandehanana na ny vidin’ny lasantsin’ny fiara handehanana  amin’ireny toerana ireny. Amin’ny aterineto kosa dia ao i youtube sy ny horonan-tsariny maro samihafa izay afaka hanampy anao tokoa amin’izany ary maimaim-poana izany, izany hoe raha manana aterineto ao an-trano na ao am-piasana ianao dia efa okay fa tsy misy vola aloa ambonin’ny saran’ny aterineto.

 

Jereo ireto rohy manaraka ireto, na ny sasany hitanao ao:

http://www.youtube.com/watch?v=DZlujuQwDH8&feature=related mihetsika tsara

http://www.youtube.com/watch?v=zhWMc28f3IQ&NR=1 milay be Shakira Reggaeton

http://www.youtube.com/watch?v=HYxV77QmPTM&feature=related Reggaeton somary miadana http://www.youtube.com/watch?v=hNECyt6Bo0A somary dihy haingana

http://www.youtube.com/watch?v=bF3J5Hy7_Tg

 Tsara dia tsara ny mihetsika, raha ireo fotsiny dia efa ampy hampirava ny tavy manimba fahasalamana rehetra. Indray mandeha isan’andro fotsiny, antsasak’adiny eo hoe eo no mihetsika kely ianao dia veloma ny tavy ratsy fa tonga soa ny hozatra ary lasa tsy mivaroraka intsony ny nofonao, fa indrindra ny vehivavy, ao koa moa ny mozika mihetsika manala sorisory ery.

Bika aman'endrika | Hevitra (5) | Hametraka hevitra

04/23,2009

Vatsim-pianarana: andao hianatra fomba fitantanana ny toe-karena


Mba sendra nahita an'ity tamin'ny aterineto aho dia mba avoaka eto. Hoy aho mantsy hoe raha mandeha mianatra any ivelany ny malagasy dia mety hahomby ihany amin'ny fitantanana ny toe-karena ka mety handoso ity Madagasikara.

Tsy natao hamporisihana anao handositra ny tanindrazanao ity fa hitia azy sy hanompo. Andao hianatra dia avy eo miverina hampandroso ity firenena.

Amin'ny teny anglisy moa izy ity, fa mbola hoezahina hadika any aoriana any raha sitrak'Andriamanitra ka manam-potoana ihany, tsy hita moa fa maro koa ny adidy ama'andraikitra tsy maintsy tanterahina. Raha manana fanontaniana dia alefaso eto ny mailaka [email protected] .

Misorata anarana sao mba voafidy ihany.

Taom-pianarana 2009-2010

Selection

Admission Requirements
- Applicants, with no restriction on nationality, must hold a Master of Science (M.Sc.) or a Master of Arts (M.A.) or equivalent title
- Current undergraduate students who will be awarded such a degree before September 19, 2009, may also apply. In this case, a successful application will be conditional to the subsequent completion of the degree and the transmission to the School of adequate documentation, also in electronic form, no later than September 22, 2009.

Positions and grants
- 4 positions with 4 fellowships (amounting to € 12.500 per year + free meals at school’s canteen + Campus facilities)
- The School reserves the possibility of accepting up to a maximum of 2 further students without grant or other forms of financial support.

Deadlines
- Candidates are requested to apply online at: www.sssup.it/phdapplicationonline by May 15, 2009 by 12.00 pm GMT. In case of problems with the online application, please contact the PhD Administration Office (tel. +39 050 883383/3335/3220, e-mail: [email protected]).
- A hardcopy of the application (signed by the candidate) together with the enclosures as per art. 7 and with the copy of a valid identity document, must reach by May 22, 2009:
Scuola Superiore Sant’Anna
Divisione Formazione Universitaria e alla Ricerca
International Doctoral Program in Economics
Piazza Martiri della Libertà 33
I - 56127 PISA, Italy

Application and attachments
- Enclosures to the hard copy of the applications:
a) the copy of a valid identity document. Non-UE applicants will have to provide a photocopy of their passport;
b) two copies of their complete Curriculum Vitae et Studiorum covering scientific training, professional experiences, publications and all other information that might help in the evaluation of the candidate; please use the UE Model Europass CV

c) The academic record with the full list of courses and grades (in English, in French or Italian);
d) one copy of the Master thesis, when applicable; two copies of its abstract in English or in French or in Italian, and a copy of any other publication that they deem suitable (works written in languages other than Italian, English, or French must be accompanied by a summary in one of the above languages);
e) two copies of a Research Project, of no more than 2.000 words which describes the research activities that applicants would like to perform during the PhD course.
f) at least two recommendation letters written by Faculty Members or other academics who have assessed and/or supervised the applicant’s work during his/her university studies, offering a comparative evaluation of the learning achievements, research potential, maturity, and professional inclinations of the candidate, and assessing whether the knowledge of the English language by the candidate is adequate to attend a post-graduate programme;

Selection of applicants
Selection of applicants will be based upon the assessment of all the submitted documents and publications.

Beginning of the Courses (tohiny)

Vatsy | Hevitra (8) | Hametraka hevitra

04/22,2009

Lalàna vao navoaky ny HAT: “Raràna ny manao fihetsiketsehena”



 (tohiny)

Politika | Hevitra (6) | Hametraka hevitra

04/18,2009

Raikitra teo amin'ny kamasotra


Tantara nadika avy tamin'ny lahatsoratra an-gazety iray izy ity.

Mampihomehy no sady ezahina avoaka eto mba hampitandremana ny sasany tsy hanao toa izao na hitandrina rehefa manao toa izao.

"Tany Rosia. Nisy mpivady na mpifankatia izay voatery nampidirina hopitaly satria raikitra teo am-panaovana kamasotra na dia efa niezaka mafy ny hiala raikitra aza.

(Mahamenatra fa olo-dehibe no mbola ...hum)

"Lehilahy sy vehivavy mihoatra ny 50 taona naniry hanandrana zava-baovao, nanaraka ny toro-làlana fanaovana izany tao amin'ny bokikely kamasotra efa tonta, no kanjo raikitra teo am-panaovana ny iray amin'ireo pôzy. Tonga tany amin'ny lanitra fahafito moa ramatoa ka nikaitoka ny fivaviany ka raikitra tao ny an-drangahy. Adiny 2 be izao izy ireo no nitsipatsipaka niezaka ny hiala raikitra nefa tsy tafavoaka mihitsy. Hany heriny dia niantso "ambulance" (soa fa tsy lavitra ny telefaonina an-tariby)

Ohatrohatr'izay rehefa adika ilay izy.

Tetsyteroa | Hevitra (6) | Hametraka hevitra

«Mialoha   1 2 3