Tsetratsetra tsy aritra

Tsy atoraka, tsy avilivily, nefa tonga lavitra

03/17,2010

Valin'ilay resaka Daewoo

Nampidirin'i zafintaolo : 10:41

Tsy nety tafiditra ny tsikerako, ary atahorako tsy hiseho, na tsy haseho, mihitsy dia aleoko nanaovako lahatsoratra hafa mihitsy.

Izao kosa no fahitako azy.

Lease = Fanofana = Location à bail.
Ilay tany tsy hoe "navarotra" dia lasan'ny Daewoo sy Varun fa nampanofaina, midika izany fa mbola antsika ihany satria mbola eto Madagasikara fa tsy nobatain'ny vahiny nentiny any aminy na ho lasa fananany mandrakizay. Ny "FANOFANA TANY", na koa ilay antsoin'ny tantsaha hoe "MITELO"(an'ny tompon-tany ny 2/3 na 1/3-ny vokatra) na "MISASAKA" (an'ny tompon-tany ny antsasaky ny vokatra), na ny manofa amin'ny alalan'ny fanomezam-bola ny tompon-tany dia efa fomba fanaon'ny mpamboly Malagasy hatrizay. Fa rehefa miditra politika fotsiny ilay izy dia lasa hafa no andraisana azy. Amiko tokony niady varotra tsara fotsiny ny mpitondra fanjakana teo aloha hoe aleo anay ny ampahany amin'ny vokatra, na nanao fitsapan-kevim-bahoaka alohan'ny nampanofaina an'ilay tany. Fa raha araka ny voalaza manko dia tany karakaina tsy misy mpamboly, tsy dia mamokatra sy sarotra ambolena raha tsy amin'ny alalan'ny fampiasana teknolojia avo lenta sns..., tsy tany volen'ny tantsaha Malagasy ilay izy. Maro koa moa ny lainga aparitaky ny sasany mba hampirotaka ny Malagasy ka hitenentsika hoe "aza avidy, aza avarotra ny tanindrazana". Zavatra azo fantarina izany, izaho aloha mbola tsy naheno na tantsaha iray aza niteny na nitory tany amin'ny fitsarana hoe nalain'ny fanjakana teo aloha (homena an'ny Daewoo) ny taniny, midika izany fa "tanim-panjakana" ilay izy ka azony ampiasaina amin'izay mety ilana azy.

Ka raha io fanofana tany io no hampandroso an'ity Gasikara dia maninona moa no tsy atao. Tsy hitako izay maharatsy an'izany, ny hany fantatro aloha araka ny hitako any am-banivohitra dia ny tompon-tany foana, izany hoe isika Malagasy ihany, no hahazo tombony amin'izany nefa ny hafa no mampiasa ny volany hamokarana eo amin'ny tanintsika, ary mbola maro koa ny tombontsoa ho azontsika amin'izany: toy ny fisian'asa, fisian-kanina, sns...

Ny hisy izao dia hanao an'io ihany ny FAT fa mbola afenina aloha, satria izany zavatra namelezana ny teo aloha, fa rehefa milamina ny tanàna sy ny tantara dia aroso amin'izay ilay fifanarahana amin'ny Daewoo na ny Nosy Maorisy na firenena arabo sns.

Hevitra (16) | Verindrohy (trackback) (0) | Indraimipika


Hevitra

  1. jentilisa

    Tena tsy tia namboly ny toerana tokoa ny olona dia nifanaraka tamin'ny vahiny ny fitondrana teo aloha ary misy anjara ho an'ny tompontany mihitsy raha tsy diso aho.


  2. N.RHEVI

    Ny olana anie ry izy mirahalahy Mr XXX sy Zafintaolo ... tsy @ lay hoe fampanofana mihitsy e (tsisy hiteny mihitsy raha hampanofa 100ha ny sefo), fa ilay velarana no mahatonga azy ho tsy zavatra tsinotsinona intsony fa miantraika @ firenena manontolo sy ny mponina malagasy (rah tsy lazaina hoe ireo monina @ ireo toerana voakasika @ fampanofana). Mba eritrereto ihany hoe zany 1M + 460000 ha zany (sao dia tsy mahay manisa koa ary reto tsika. izany anie hoatran'ny hoe mampanofa an'i madagasikara manontolo, satria efa 3/4 x n'ny tany azo volena eto dago anie zany e. Manginy fotsiny ny consequence environnemental @ zany. Ireo zay efa miady tany ambolena @ zao fotoana noho ny tsy fahmpian'ny politika mpanjakana n'ny rano (irrigation), mbola esorina koa ny antsasaky ny tany azo volena, ary ahodina mankany ny rano afaka anondrahana ... sns. Za tsy mbola nanao fanadihadina (etude) an'zany fa mety ho CATASTROPHIQUE ho an'ny mponina eo @ manodidina ny vokany... hoatran'ny mahazo ireo mponina any @ iny faritra Amerika latina iny noho ny fidiran'ireo fambolena vaventy (industriel)... Hoy aho hoe ... mba diniho ihany zay atao... mba ialako @ teniko voalohany hoe ...tena manaonao foana mihitsy reto!!


  3. N.RHEVI

    Aza matahotra fa efa navoakako ao ny commentaire nao fa nataon'i blaogy.com ho spam (niverina intelo manko).

    http://rhevinilsen.blaogy.com/post/492/7147


  4. NRHEVI

    Mba alefaso any Morisy zahay na La reunion farafaharatsiny raha hampanofainareo Madagasikara manontolo . Afaka 100 taona zany zahay vao mahazo mody antanindrazana rehefa tapitra ny fampanofana raha mbola hody ka tsy apatrides... Ny mahazo n'ny mponin'i Diego Garcia aza reto efa tsy fidiny ... ihomehezann'y angilisy mpivarotra sy ny amerikana mpividy fotsiny ... ONU mitanàka fotsiny.


  5. Zafintaolo

    Tsy hitako izay itovizan'ny tany ahofa eto Dago sy ny momba an'i Diégo Garcia.

    Na andry zareo zavatra nifanarahana tamin'ny mpanjanaka azy t@ zany fotoana, nomena nationalité britannique daholo ny mponina tao @lay Nosy kely Diégo-Graca tamin'izany fotoana izany, satria tsy nisy ninoninona azony nivelomana teo @ ilay Nosy, @zao angamba vao hay anaovan-javatra any (tourisme), izay vao maniry hiverina @ taniny ry zareo.

    Ny an'ny gasy kosa tsy izany. Gasikara malalaka be, ary arak ny lazainao teo ihany, raha tonga eto ireo mpanofa tany vahiny ireo, moa ve tsy ry zareo ihany no hanampy antsika @ fintananana rano, hanao lalan-drano isan-karazany @ zay samy mahazo ny anjarany ny rehetra? Isika rahateo tsy manana manam-pahaizana momba izany fitantanana rano tsy mitanila izany.


  6. mandimbisoa

    izaho dia mitovy hevitra amin'i Zafintaolo;tsy ho vitan'ny Malagasy ny hamboly an'i Madagasikara,ary io fanofana tany io efa eran'izao totolo izao anie hono e;amiko dia ny miady varotra tsara izay ahazahoan'ny Malagasy tombontsoa
    no jerena...O ry ireto a!io ary anie tany ngazana no ahofa hamokarana e,inona no maharatsy an'izany hoarina ny FANGALARANA ny HAZO sarobidy
    ataon-dry zareo amin'izao fotoana???


  7. Zafintaolo

    Ka izany mihitsy ry Mandimby. Izany fanofana tany izany sy ny vokatra mbola tsy misy aloha, fa ny fivarotana vatosoa sy biby akaiky ho lany tamingana, hazo sarobidy sns ataon'ny olona ankehitriny, amin'izao fotoana anjakan'ny baroa izao, no tokony hofoanan'ny FAT raha mitsinjo an'i Gasikara sy ny madinika ary ny taranaka ho avy izy ireo. Mahagaga fa misy ny lasa ngetroka tampoka, ny namoaka fiara vaovao be, manana daba "luxe" be ranona, ianona nahazo trano villa, sns... Bizina maizina sy varotra risoriso no nahazoana izany rehetra izany, ary ny FAT dia manohana izany matoa tsy mihetsika akory. Ny fanenjehana ny antoko hafa sy ny fanaovana "hafa no namono ny voay, izahay no miravaka ny vanginy" no andaniany andro.


  8. N.RHEVI

    Hono ho aho ry zareo, raha mampanofa io tany io ny regime ravalo, na ny regime FAT, na ny regime Ratsiraka, na ny regime Zafy, heverinareo ve fa ny firenena malagasy no ahazo tombony amin'io? mba jereo fotsiny anie ny ofan'ilay izy e? Tsy hitako mihitsy ny mahasamihafa ny fampanofana ataon'ny mpanjanaka sy ny fampanofana ataon'i FAT!!! Izay mitondra rehetra eo ka mampanofa tsy ho tonga any @ kitapompanjakana zany io!!! ny loza ny fananan'ny vahoaka madinika esorina aminy, hamenoana ny paosin'ny mpahay politika...Asa aloha, sao manapaka ny fihinànan'ny sasany aho, fa mieritrereta tsara aloha. Ary mbola nanome exemples aza ianareo @ fomba fitantanan'izay rehetra mahazo an'io fitondrana io ny harentsarobidin'ny Madagasikara.
    Gaga aho @ tenin'i Mandimbisoa hoe tsy vitan'i Malagasy ny mamboly an'i Gasikara. Mipetraka ao andrenivohitra daholo angamba ny havan'i Mandimbi raha ny fahitako azy, fa tsy mba mipetraka ambanivohitra hoatra anay. Aty ambanivohitra aty rey olona dia efa tsy misy tany hovolena intsony, fa ngazana be daholo ny tany, ny tany azo ambolena efa iadiana isanandro!! Izay manana havana ao @ fitondrana no mandrava an'izay mba azo iainana.
    Nareo ve mieritreritra fa ireo olona haka 1M ha ireo dia handeha handrava tanety maina be ary tampoketsa hatao lemaka??!!! Mba ataovy fanadihadiana hoe!
    Non!!! ny tany efa lemaka azondrano no hoofainy. Ao anatin'izany ohatra iny faritr'i alaotra iny, bemaraha, marovoay, morondava, sakay sns...
    Ka zay no tsy mampitovy hevitra ahy aminareo.
    Ary raha mbola tsy tonga saina miverina @ exploitation n'ny agriculture hampandrosoana ny firenena malagasy, dia mbola hitotongana ary hiharatsy lavitra noho izao ny hoavin'ny taranany.


  9. N.RHEVI

    Hono ho aho ry zareo, raha mampanofa io tany io ny regime ravalo, na ny regime FAT, na ny regime Ratsiraka, na ny regime Zafy, heverinareo ve fa ny firenena malagasy no ahazo tombony amin'io? mba jereo fotsiny anie ny ofan'ilay izy e? Tsy hitako mihitsy ny mahasamihafa ny fampanofana ataon'ny mpanjanaka sy ny fampanofana ataon'i FAT!!! Izay mitondra rehetra eo ka mampanofa tsy ho tonga any @ kitapompanjakana zany io!!! ny loza ny fananan'ny vahoaka madinika esorina aminy, hamenoana ny paosin'ny mpahay politika...Asa aloha, sao manapaka ny fihinànan'ny sasany aho, fa mieritrereta tsara aloha. Ary mbola nanome exemples aza ianareo @ fomba fitantanan'izay rehetra mahazo an'io fitondrana io ny harentsarobidin'ny Madagasikara.
    Gaga aho @ tenin'i Mandimbisoa hoe tsy vitan'i Malagasy ny mamboly an'i Gasikara. Mipetraka ao andrenivohitra daholo angamba ny havan'i Mandimbi raha ny fahitako azy, fa tsy mba mipetraka ambanivohitra hoatra anay. Aty ambanivohitra aty rey olona dia efa tsy misy tany hovolena intsony, fa ngazana be daholo ny tany, ny tany azo ambolena efa iadiana isanandro!! Izay manana havana ao @ fitondrana no mandrava an'izay mba azo iainana.
    Nareo ve mieritreritra fa ireo olona haka 1M ha ireo dia handeha handrava tanety maina be ary tampoketsa hatao lemaka??!!! Mba ataovy fanadihadiana hoe!
    Non!!! ny tany efa lemaka azondrano no hoofainy. Ao anatin'izany ohatra iny faritr'i alaotra iny, bemaraha, marovoay, morondava, sakay sns...
    Ka zay no tsy mampitovy hevitra ahy aminareo.
    Ary raha mbola tsy tonga saina miverina @ exploitation n'ny agriculture hampandrosoana ny firenena ny malagasy, dia mbola hitotongana ary hiharatsy lavitra noho izao ny hoavin'ny taranany.


  10. N.RHEVI

    Hitako zany ny marimaritra iraisaina. Ampanofay tampoketsa dia miady ny baolina.
    Ny ofany ampidiro tsy misy mipika ao @ kitapompanjakana.
    Satria zay manko no image aparitaky ny maro @ ilay izy fa tsy izay mihitsy ny realité. Afaka milaza ireo nanao sonia ny fifanarahana hoe faritra aiza avy no nangatahan'ny mpanofa?


  11. Mandimbisoa

    ho an'i Rhevi,

    tsy hoe akory hoe:eto andrenivohitra aho dia tsy mahalala ny fandehan'ny any ambanivohitra,ataoko fa ny akabeazantsika dia avy any daholo,fa ny hitenenako hoe:tsy vitantsika satria isika mbola omby aloha hatramin'izao no ampiasaina hanosy,ny sasany aza mbola manofa ny biby...izaho tsy miteny hoe:tsy mahavita azy isika fa ny ho entina no tsy hananana...asa anefa fa amiko,ny manofa sy mivarotra tsy mitovy velively...ny jery ataoko dia ny hoe:mba manao lalana,sekoly,jiro,rano,asa ho an'ireo mponina manodidina izay manao izany fa ny famarotana ny hazo sarobidy any an'ala efa natao tsy ho kitihina,ny mponina akaiky izao mijaly satria ny tourisme no nahazahoany vola tamin'izany izaho ny milisy no mampitahotra izay rehetra manakatsakan'azy ireo amin'ny halatra ataony...manotany ianao hoe nahoana no tsy miteny ny HAT? ka io anie ry zareo no nanome alàlana e.


  12. Zafintaolo

    Rhevi> Katsaka ange no hambelon'ny Daewoo fa tsy vary e! Nareo ve aloha maharaka vaovao sa ahoana e? Azo ambolena eny antapoketsa izany katsaka izany. Anmin'ny fotoana fahavaratra mampisy ny orana izy no mamobly dia milamina isika.


  13. N.RHEVI

    Zafintaolo> Maharaka vaovao tsara ka, fa tsy tampoketsa no henoko hoe hamboleny katsaka araka ny voalazanao. Ary tsy katsaka ihany no hamboleny (tsy katsaka ny fototsakafon'ny koreana)...Fa hamboly zavatra hafa ihany koa izy arakaraka ny marché, ary tsy ferana ihany koa hangady ny ao ambanin'ny tany... tsy misy mahita .. na misy mahita moa hahavita inona?
    Mandimbisoa>vitsy angamba ny olona no manofa trano nefa mampanofa ny trano lovany izay efa tsy voakarakarany akoriny (tsy manana moyen), hoatran'ny tsy lojika izany. Na raha misy dia efa fantatrao ny ho avenir n'izany famille izany. Azonao projetter @ echelle n'ny etat koa izay.
    Zay le methode antsoina hoe "defaitiste". Raha tsy voavolintsika malagasy ny tany, maninona no tsy amboarina nefa zavatra mamokatra (productive), nefa ny araben'n'Antananarivo efa in-3 niova ao anatin'ny 10 taona tsy productif zany fa ho feno mpivarotra andalambe ny 2/3-ny?
    Maninona tsy canalisation, barrage, hydrolique ... sns no imatimatesana??? satria tsy misy vola miditra haingana sy maharitra angambany?
    Hany ka aondrana haingana koa ny bois precieuse fa io no vola malaky???


  14. Zafintaolo

    Arosoy @ FAT ary ny toro-hevitrao!


  15. Mandimbisoa

    izao ary ry Rhevy â!inona no hevitra tsara?Alaiko ohatra izao fianakaviana iray (tamin'ny andron'ireo Ray aman-dreny)dia nanana tany azo hambolena tokoa afaka hoa hanin'izy sy ny zanany ary ny tombony hamidy,maty ireo namela zanaka 8 na folo izay hizara ny tany ets ets...tonga eo amin'ny zafikely anie dia efa firy ara sisa no anjara sisan'ankizy e?ka na hamboly aza,firy ny vokatra hiakatra? Ary raha avela tsy zaraina fa ny vokatra no zaraina dia tsy maintsy atao ny hoe:2/3mpamboly1/3ny sisa kanefa raha 10mianadahy dia ohatran'inona ny vokatra ho azon'ny tsirairay...ny tsara dia hoe Malagasy gentroka be mihitsy afaka manao fambolena izay tian-dry koreana atao amin'izay dia samy gasy,kanefa nofy ihany ny ahy,ny gasy mba manao aza potehina daholo izay vitany,ary lazaina izao antsanga rehetra izao...io ny fahaizana miady varotra izay mahasoa ny Malagasy sy ny zavaboahary manodidina no jerena ary ny conditions atao teny ierana amin'ny be sy ny maro,dia ataoko fa mety...


  16. Zafintaolo

    Aleo mihitsy ilay izy ho tanim-panjakana dia ahofany, avy eo asain'ny teknisianina malagasy, dia iaraha-manana ny vola azo avy amin'ny vidim-bokatra. Fa tena marina io resaka ady lova tany io. Vao eo @ zafikely dia efa tsy misy intsony ny hozaraina. Raha mba mamaky izay rehetra lazaina ato @ blaogy toa itony moa ny FAT, dia hahita vahaolana @ olana misy eto Dago.



Hametraka hevitra