Tsetratsetra tsy aritra

Tsy atoraka, tsy avilivily, nefa tonga lavitra

02/22,2010

21 Febroary - Very aho lelako ô!

Ny 21 Febroary dia 

 

1) andro iraisam-pirenena ho an'ny tenim-pirenena

 

Dia andao ho raisina ny hevitr'ireo mpampi.... (préposition) roa eo alohan'ny teny hoe "tenim-pirenena"

 

"ho an'ny"

 

Tokony nanao fety kely zany izaho omaly, ka sahala amin'ny andro iraisam-pirenena ihany io mantsy. Rehefa fetin’ny reny, dia anaovana fety kely Ineny, omena fanomezana, oraka, fisaorana sy firariana isan-karazany. Rehefa fetin'ny fitiavana dia ankalazaina ny fitiavana (raozy, oroka, fandriana, etsetra etsetra. Rehefa fetin'ny tenim-pirenena koa dia mba ankalazaina koa ilay tenim-pirenen'ny tena, dia miteny malagasy ranoray ohatra izany aho mandritra ny indray andro manontolo, na farafaharatsiny mihira hira Malagasy, tena Malagasy ranoray (na malagasy ofisialy io na tenim-poko, dia gasy avokoa zany hihi). Fa ny loza, tsy "an'ny" teny Malagasy ny androko omaly, na ny nihira hira gasy (nefa zavatra fanao matetika) aza hadinoko tanteraka omaly, nefa ny alakamisy lasa teo aho dia efa nahafantatra ny momba ilay andro iraisam-pirenena fa androany hariva vao nahatsiaro an'ilay izy indray. Farafaharatsiny i Zafintaolo mba nihira hoe:

 

"Mba tsofy rano 'zahay Zanahary mba ho tafarina.

 

nanananana nanananana nanananana an an an an

 

Herinandro no tsy nivalana ô, ô Gasikarako ô

 

Fa loza inona 'ty nahazo ô ô... (tsy tadidy intsony ny tohiny)

 

Nana... ......fihinana ravi-kazo

 

Vao fito volana ny mangahazo

 

Ny takalo-patsa efa lany vatsy euh euh"

 

 

 

na koa hoe

 

2) andro iraisam-pirenena natokana ho an'ny tenim-pirenena

 

"Natokana"

 

Raha tokony ho izy izany, ho ahy manokana, dia tokony tsy niteny afa-tsy ny tenim-pireneko dia ny teny Malagasy aho omaly, fa tsy tafa mihitsy. Na niresaka tamin'ny gasy miteny gasy aza dia mbola tafateny tenim-bahiny ihany.

Tsy gasy lela intsony?

 

Indraimipika | Hevitra (5) | Hametraka hevitra

01/21,2010

Tsy tafandry intsony

Tratry ny Asaramanitra daholo ry havana malala!!!

 

Tononkalo tsy dia ary fomba no ndeha hatolotro etoana. Mba nanana aingam-panahy kely manko i Zafintaolo androany. Mazava dia mazava hoe iza no resahina eto.

 

 

 

Tsy tafandry intsony aho!!!

 

Natsiro tery ny fiainako taloha.

Tara vao natory, tara vao nifoha.

 

Naniry ho mera aho, dia lany mera;

Faly ery tamin’zay nanao dom-bera.

Naniry ho filoha aho, dia lasa filoha;

Azoko mora ny sezan’lay teo aloha.

 

Saingy tsy nampoiziko:

Feno korontana ny nofiko,

Misokatra anaty haizina ny masoko.

Inona no hatao? F’inona 'ty nataoko?

 

Naniry ny hitarika aho ka izao, enjehina avy ao aoriana.

Toa tsy ho zakako intsony izy ’ty, aoka fa tena fahoriana!

Hiteny hoe avelao aho, hay moa efa niteny hoe tohano aho,

Hiteny hoe mandehana any, aiô k'efa niteny hoe araho aho.

 

 

Ny mpanaraka ahy misarangotra, mitaky ny anjarany.

Ny mpanohitra ahy tsy reraka, mamely hatrany hatrany.

’Reo rehetra azo ilana vonjy, indrisy fa lasa, nandao ahy.

Tena reraka ny saiko, ry lanitro ô , ’ty ’zaho lany fanahy.

 

Niriko ho ahy ny toerana farany ambony, azoko.

Niriko honenana ny lapa farany tsara, azoko.

Fa 'zao aho lasa tsy ampy tory, malazolazo,

Toa ho tapaka 'ty tetezana, toa boboka fa hazo.

 

 

                                                Nirina Sokina Nananibato

 

 

 

 

 

Politika | Hevitra (8) | Hametraka hevitra

12/15,2009

NY MIARAMILA: mpanompo firenena ???

NY MIARAMILA: mpanompo firenena???

Indray andro nisy fanontaniana nanitikitika ny saiko: “Inona tokoa moa no antony isian'ny tafika?”. Napetrako tamin’ny raiko ary ilay fanontaniana, miaramila mpitsabo manko izy.

Dia hoy ny navaliny: “Hanompo firenena. Izany no antony isian’ilay hoe “antsoina hanao fanompoam-pirenena ireo tanora lahy feno valo amby folo taona.”

“Hanompo firenena an!” Hoy aho somary ankina, ka tena mazava ilay valim-panontaniana tsinona. Dia hoy aho nanohy “Ka raha izao isan’ny miaramila eto amin’ny firenena izao no jerena, raha samy manompo firenena daholo ireo (eny, mila manompo firenena ihany koa ny vahoaka sivily rehetra) dia tsy ho tahaka izao ity firenena ity.”

“Izany tokoa" hoy izy, somary nanjonitra, dia ilay zazakely marary maso teo am-pofoany no noeliketehiny “gligligli!!!” ”

Tsy dia tiany ny miresaka politika, na firenena sy miaramila, aminy dia tsy nahavita ny adidiny ny tafika malagasy, ary izany no antony nialany tamin'ny tafika, promotion-iny Jeneraly Ranjeva iny izy fa lalan-kafa no ny azy no nizorany, nametra-pialana fa nisy zavatra tsy tiany tao amin'ny tafika tamin’ny andron-Ratsiraka, dia lasa nandeha sesitany an-tsitrapo. Aiza? Any anaty ala mikitroka, lasa mpitsabo tantsaha. Aminy izany politika izany dia ohatry ny zava-maloto, "Raha tianao hadio... hoy izy... ny anaranao dia aza manao politika, eny fa na dia hanao asa soa aza ny antony anaovanao azy". Ary dia ilay asa fanompoam-pirenena eritreretiny izany hoy aho anakam-po, io ataony aty anaty ala tsy misy jiro aty io. Safidiny moa ny azy ary hitako fa mahatsiaro ho sambatra izy noho izany, fa izahay zanany indray mitalaho aminy hitoetra an-tanan-dehibe fa dia bobaka tokoa ny dahalo any amin'ny toerana misy azy any, manafika tanana mihitsy, nefa izy mieritreritra fa manao asa soa, tsy mety hiala tany, mandalo fotsiny an-tanan-dehibe mividy sakafo sy entana.

Hoy izy avy eo: “Fa ahoana no fahitanao an’izany Rajoelina izany?”. Satria manko izy tsy dia mahare vaovao any amin’ny misy azy any, fa na ny radio nasionaly aza tsy azo any.

“Tsy mamely” hoy aho, “Tsy mamely satria toa mivarotra tanindrazana no fahitako azy, toa miray tsikombakomba amin’ny frantsay no fahitako azy, sahala amin'ny hoe matimaty fotsiny ireo maty nitolona tamin’ny 47, ry Dadabe dia mampalahelo fa matimaty fahatany (Zaho aloha tena mankahala mpanjanaka noho io antony io), jereo ity firenena fa toa tsy tafala amin’ny vahohon’ny frantsay. Tsy misy zavatra hilamina intsony eto Madagasikara raha izao raharaha politika ao Antananarivo ao izao no jerena. Ary manahy dia manahy aho fa hisy korontana eto Madagasikara.”

Dimy volana aty aoriana ary, dia izao hita fa mbola tsy milamina izao ny raharaha politika, ary izany dia hiteraka (ary efa miteraka) olana ara-toekarena, ara-tsosialy, ary manahy mafy aho sao hisy korontana eto Madagasikara. Ny mpanao politika tanindrana izao efa maro no tsy faly amin’ity Razoeline ity (izany manko no fanononan’ny olona aty Nosy Maorisy ny anarany loll, mihomehy foana aho isaky ny mandre ilay anarana amin’ny fahitalavitra sy eny rehetra eny), satria tsy avelany hiditra eto Madagasikara ireo filoha 3 taloha sy ireo mpitondra ny ankolafy politika hafa. Efa mihetsika izao ny zanak'i Mahajanga fa tavela any Afrika Atsimo, tsy avela hiditra eto an-tanidrazany ny mpanao politika roa avy any aminy, i Rafatrolaza Bary Emmanuel sy i Azali Ben Marofo; ny avy any Toamasina i Ratsiraka sy ny tariny; ny avy any Antsiranana Zafy Albert sy ny tariny. Hafetsena kay no tsy nandehanan’i Razoeline tany Maputo, hay ny hanatanteraka izao tetika izao no antony. Fa tsy fetsy ihany izy raha jerena, satria hita izao fa manangan’ady amin’ny Malagasy manerana an’i Madagasikara izy, raha mba nisaina kely fotsiny dia tsy ho nanao izao hetsika mamohehatra izao Razoeline sy ny firongony, satria mety hiteraka ady amin'ny samy Malagasy izao. Araka ny efa niainako dia maro amintsika Malagasy, avy amin'ny lafy valon'ny Nosy, no miezaka mafy dia mafy ny hisoroka ady an-trano, ny tsy hanafintohina ny mpiray tanindrazana aminy, na dia ireo tsy nahita fianarana sy tsy mpanao politika aza. Asa naninona loatra re! Dia noho ny fitiavan-tena ve? Noho ny fitiavam-pahefana diso tafahoatra ve? Fa toa tsy ananan'i Razoelina mihitsy izany fahendren'ny Malagasy maro izany. Amiko izao fanakanana ny Malagasy tsy hody an-tanindrazany izao, tsy hanao fetin'ny faran'ny taona miaraka amin'ny ankohonany izao, dia fananganana ady tsotra izao, ny avy any avaratra asiana, ny avy any atsinanana asiana, ny avy any andrefana asiana, ny avy any atsimo efa misy tsy faly fa nesorina ilay nieritreretiny ho solotenany, i Monja Roindefo. Ny nahazo an'i Monja Roindefo indray aloha dia zavatra notadiviny ny azy, nataon'olona tohatra fiakarana fotsiny, dia natsipiny "mbay tany amin'izay fa tsy misy ilako an'itena ‘ntsony", izany mihitsy ilay hoe "nandrora-mitsilany". Ary itsy Razoelina dia mbola manohy mandrora ihany... ho fay io atsy ho atsy, mba marina moa e!

Dia efa miomana ary Razoelina, miomana amin'ny ady an-trano mety hisy atsy ho atsy ary dia nitady vahaolana heveriny fa handaitra.

Vahaolona: asondrotra ny karama ny miaramila (ireo tokony hanompo firenena izany).

Dia hoy ary aho, tsara raha asondrotra karama ny miaramila sy mpanompo firenena rehetra (ny vola fisondroan-dronon’ny raiko koa izany tokony hasondrotra fa ny azy efa vola kely no mbola lany ividianana fanafody hitsaboana tantsaha malagasy mahantra, ary asa fanompoam-pirenena izany).

Saingy izao ry Malagasy tia tanindrazana rehetra, tokony alefa miasa eny an-tanimbary daholo ny miaramila rehetra satria ny ankamaroany dia mikarenjy eran'ny tanàna fotsiny: mifoka, migoga, miloka, manolana, tsy manenjika dahalo fa vao maika aza manome basy azy ireo. Maro ny asa fanompoana firenena (IZAY ADIDIN'NY MIARAMILA NUMBER ONE) azo ampanaovina azy ireo. Satria moa eto mbola tsy misy ady tifitifitra arahina baomba dia tsy miasa ry lerony. Ka rariny ihany raha nampanasan-dRavalomanana vodin'omby vavy be ronono (hitako tatsy @ comment ao amin’ny blaogin’i Jentilisa lol), tena asa fanompoam-pirenena izany! Moa ka tsy izany va? Marina izany!!!. Entre pa kely, fony zaho mbola kely rehefa nanontaniana tany an-tsekoly hoe hanao inona rehefa lehibe. Valiny? Hanao esenina, ireo tanora manao ankanjo sy beret maitsomaitso tamin'ny andron-ndRatsiraka, tsy nisy intsony ilay izy rehefa afaka baka sy feno aho, soa ihany. Ka raha tsy misy hatao fa mitaingo lalitra fostiny ary ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny tafika, tsy aleo ve ampiasana e! Asaina mamboly vary ry lerony, dia voavaha ny olana toy ny tsy fahampian-tsakafo eto Dago, sady ry lerony be bokonozatra ny maro aminy, mahatana angady tsara, ny velaran-tany rahateo midadasika be azo ambolena tsara, sady voatondraka no mamokatra tsara fa ny hamboly no tsy ampy moa koa ny tantsaha somaty manavinavy tsy maha-asa firy; asaina manamboatra tranon'ny vahoaka ry lerony isaky ny aorian'ny fandalovan’ny loza voajanahary toy ny cyclone, tondran-drano sns (TSY SOASIALISTA na KAOMINISTA aho, amiko izany sady fitiavan-tanindrazana no FIRAISAN-KINAn'ny samy Malagasy, Andrianampoinimerina izao raha teo dia inoako ho nankato an’izany tsara, mila miaramila an’ARIVOny i Madagasikara); asaina manao lavam-piringa eny rehetra eny ry lerony, amin’izay vitsy ny voan'ny aretin-kibo toy ny bilarziôzy, amiba, kolera sns, tsy lany amin'ny fitsaboana intsony ny vola kelin’ny vahoaka, lasa tsy farofy intsony ny tantsaha mpamboly); asaina mandroaka fako, raha io fako misavovona manerana ny Nosy io no idiran'ny miaramila izay maro dia maro tokoa, dia madio ny tanàna (OK ry Sipesialista an!, mpanakanto izany sao misy tsy mahalala); asaina miandry omby sady mitam-basy @zay mitsoaka ny dahalo, etsetra etsetra... Tena maro dia maro ny asa fanompoam-pirenena azon’izy ireo atao, raha ireo miaramila mameno tanana ireo fotsiny no miasa dia misy fiovana be eto Gasikara.

Ny miaramila, zandaro sy polisy dia karamain'ny firenena nefa maro amin’izy ireo no miasa akory, mba mandehana ange amin'ireny tobin'ny tafika ireny raha te-hahita, TSY MANOMPO FIRENENA... Koa NDAO HAMPIASAINA RY MALGASY FA KARAMAINTSIKA ANGE IREO E!!! Volabe ange no lany andoavana ny karaman’ireo e!!!

Izaho miteny izany dia mahalala tsara. Manana anadahy roa ao amin’ny tafika, ny iray zandary, be karama ery sady mahazo karama ambony ampanga (prime), mandeha any amin’ny faritra rehetra any, manenjika dahalo, mandao vady aman-janaka matetika (mpanompo firenena tsara hoy aho, deraiko ery); ny iray kosa mianatra ho miaramila baraingo, fa raha nanontaniako izy hoe, “Mba inona re no antony nidiranao ho miaramila, nefa ny rainao aza tao no niala, no sady nanafatrafatra ery hoe tsy tiako ho ao amin'ny tafika ny zanako?” Ny valiny? “Ka be sôsy be, tsy mila miasa be akory, sady manao fitafiana ohatra ny an’i Rambo no jeren’ny sipa isaky ny mivoaka, mahazo fisondroan-dronono ohatra an-dRabaina rehefa antitra, avenir assuré tsy ohatry ny anareo miasa an-tselika etsy sy eroa, 'zaho 'ndray tsy handeha handany andro eny Ankatso avy eo ho lasa tsy an’asa be diplaoma boritra be”.

Inona no navaliko? "Hay va re! Mba jereo ihany ny tombontsoan'ity firenena na dia iznay aza."

Asakasaky ny Malagasy tsirairay aloha fa volam-panjakana no anakaramana ny tafika, ka raha hanampy olona hanongam-panjakana sy hiteraka korontana eto amin'ny firenena no ataony, tsy manao ny asany izy izany.

 

Politika | Hevitra (3) | Hametraka hevitra

11/23,2009

Antso avo: omeo tànana

Miarahaba ny mpitoraka bolongana rehetra.

Misy tetikasa iray ataona fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin'ny fanjakana, mizara solosaina XO ho an'ny ankizy mpianatra eto Madagasikara, ao anatin'ilay tetik'asa "solosaina iray isaky ny ankizy". Efa misy solosaina tonga aty Madagasikara ary efa maro ny ankizy no nahazo ny anjarany. http://olpc-france.org/blog/2009/08/

Irin'ireo tompon'andraikitra momba izany hadika amin'ny teny gasy iray manontolo (na izay rehetra azo adika) ny mombamomba ilay solosaina sy ny rindran'asa rehetra ao anatiny.

Tsy terena ny fandraisana anjara, fa izay mazoto ka mba manam-potoana dia iangaviana mba hanome tànana, na fehezanteny iray isan'andro aza no vitany dia efa asa soa fitsimbinana ny ankizy mpianatra Malagasy izay.

Raha te-hisoratra anarana dia tsindrio ny rohy: http://translate.sugarlabs.org/register.html

Raha te-handray anjara amin'ny fandikan-teny dia tsindrio ny rohy: http://translate.sugarlabs.org/mg

Teny anglisy no teny iaingana, ary tsy sarotra ho an'izay efa zatra mampiasa sy mandre voambolana momba ny informatika izany.

 Isaorana mialoha ny mpandray anjara rehetra na ny havitrika na ny hiserantserana.


 

Ankapobeny | Hevitra (7) | Hametraka hevitra

10/27,2009

Te-hiteny fotsiny hoe: "milay be!"

Manahoana ny mpitoraka bolongana rehetra.

Tsy hitako izay hanontaniana dia aleo eto no manontany:

 Izay mahalala fiten-jatovo hafa ilazana ny toy ny hoe "Milay!", "reveko", "manja", "any zany!" sns , maro be izy any fa tsy tadidy moa koa ny tena tsy zatovo intsony hihihi "manadala be", "lafatra e!" "matsiro hoa", "tena ...", raha mihinan-javatra le olona.

 

Misaotra mialoha.

Politika | Hevitra (10) | Hametraka hevitra

1 2 3  Manaraka»