Tsetratsetra tsy aritra
Tsy atoraka, tsy avilivily, nefa tonga lavitra
02/22,2010
21 Febroary - Very aho lelako ô!
Ny 21 Febroary dia
Raha tokony ho izy izany, ho ahy manokana, dia tokony tsy niteny afa-tsy ny tenim-pireneko dia ny teny Malagasy aho omaly, fa tsy tafa mihitsy. Na niresaka tamin'ny gasy miteny gasy aza dia mbola tafateny tenim-bahiny ihany.
Tsy gasy lela intsony?
Indraimipika | Hevitra (5) | Hametraka hevitra
01/21,2010
Tsy tafandry intsony
Tratry ny Asaramanitra daholo ry
Tononkalo tsy dia ary fomba no ndeha hatolotro etoana. Mba nanana aingam-panahy kely manko i Zafintaolo androany. Mazava dia mazava hoe iza no resahina eto.
Tsy tafandry intsony aho!!!
Natsiro tery ny fiainako taloha.
Naniry ho mera aho, dia lany mera;
Faly ery tamin’zay nanao dom-bera.
Naniry ho filoha aho, dia lasa filoha;
Azoko mora ny sezan’lay teo aloha.
Saingy tsy nampoiziko:
Feno korontana ny nofiko,
Misokatra anaty haizina ny masoko.
Inona no hatao? F’inona 'ty nataoko?
Naniry ny hitarika aho ka izao, enjehina avy ao aoriana.
Toa tsy ho zakako intsony izy ’ty, aoka fa tena fahoriana!
Hiteny hoe avelao aho, hay moa efa niteny hoe tohano aho,
Hiteny hoe mandehana any, aiô k'efa niteny hoe araho aho.
Ny mpanaraka ahy misarangotra, mitaky ny anjarany.
Ny mpanohitra ahy tsy reraka, mamely hatrany hatrany.
’Reo rehetra azo ilana vonjy, indrisy fa lasa, nandao ahy.
Tena reraka ny saiko, ry lanitro ô , ’ty ’zaho lany fanahy.
Niriko ho ahy ny toerana farany ambony, azoko.
Niriko honenana ny lapa farany tsara, azoko.
Fa 'zao aho lasa tsy ampy tory, malazolazo,
Toa ho tapaka 'ty tetezana, toa boboka fa hazo.
Nirina Sokina Nananibato
Politika | Hevitra (8) | Hametraka hevitra
12/15,2009
NY MIARAMILA: mpanompo firenena ???
NY MIARAMILA: mpanompo firenena???
Indray andro nisy fanontaniana nanitikitika ny saiko: “Inona tokoa moa no
Dia hoy ny navaliny: “Hanompo firenena. Izany no
“Hanompo firenena an!” Hoy aho somary ankina, ka tena mazava ilay valim-panontaniana tsinona. Dia hoy aho nanohy “Ka raha izao isan’ny miaramila eto amin’ny firenena izao no jerena, raha samy manompo firenena daholo ireo (eny, mila manompo firenena ihany koa ny vahoaka sivily rehetra) dia tsy ho tahaka izao ity firenena ity.”
“Izany tokoa" hoy izy, somary nanjonitra, dia ilay zazakely marary maso teo am-pofoany no noeliketehiny “gligligli!!!” ”
Tsy dia tiany ny miresaka politika, na firenena sy miaramila, aminy dia tsy nahavita ny adidiny ny tafika malagasy, ary izany no
Hoy izy avy eo: “Fa ahoana no fahitanao an’izany Rajoelina izany?”. Satria manko izy tsy dia mahare vaovao any amin’ny misy azy any, fa na ny radio nasionaly aza tsy azo any.
“Tsy mamely” hoy aho, “Tsy mamely satria toa mivarotra tanindrazana no fahitako azy, toa miray tsikombakomba amin’ny frantsay no fahitako azy, sahala amin'ny hoe matimaty fotsiny ireo maty nitolona tamin’ny 47, ry Dadabe dia mampalahelo fa matimaty fahatany (Zaho aloha tena mankahala mpanjanaka noho io
Dimy volana aty aoriana ary, dia izao hita fa mbola tsy milamina izao ny raharaha politika, ary izany dia hiteraka (ary efa miteraka) olana ara-toekarena, ara-tsosialy, ary manahy mafy aho sao hisy korontana eto Madagasikara. Ny mpanao politika tanindrana izao efa maro no tsy faly amin’ity Razoeline ity (izany manko no fanononan’ny olona aty Nosy Maorisy ny anarany loll, mihomehy foana aho isaky ny mandre ilay anarana amin’ny fahitalavitra sy eny rehetra eny), satria tsy avelany hiditra eto Madagasikara ireo filoha 3 taloha sy ireo mpitondra ny ankolafy politika hafa. Efa mihetsika izao ny zanak'i Mahajanga fa tavela any Afrika Atsimo, tsy avela hiditra eto an-tanidrazany ny mpanao politika roa avy any aminy, i Rafatrolaza Bary Emmanuel sy i Azali Ben Marofo; ny avy any Toamasina i Ratsiraka sy ny tariny; ny avy any Antsiranana Zafy Albert sy ny tariny. Hafetsena kay no tsy nandehanan’i Razoeline tany
Dia efa miomana ary Razoelina, miomana amin'ny ady an-trano mety hisy atsy ho atsy ary dia nitady vahaolana heveriny fa handaitra.
Vahaolona: asondrotra ny karama ny miaramila (ireo tokony hanompo firenena izany).
Dia hoy ary aho, tsara raha asondrotra karama ny miaramila sy mpanompo firenena rehetra (ny vola fisondroan-dronon’ny raiko koa izany tokony hasondrotra fa ny azy efa vola kely no mbola lany ividianana fanafody hitsaboana tantsaha malagasy mahantra, ary asa fanompoam-pirenena izany).
Saingy izao ry Malagasy tia tanindrazana rehetra, tokony alefa miasa eny an-tanimbary daholo ny miaramila rehetra satria ny ankamaroany dia mikarenjy eran'ny tanàna fotsiny: mifoka, migoga, miloka, manolana, tsy manenjika dahalo fa vao maika aza manome basy azy ireo. Maro ny asa fanompoana firenena (IZAY ADIDIN'NY MIARAMILA NUMBER ONE) azo ampanaovina azy ireo. Satria moa eto mbola tsy misy ady tifitifitra arahina baomba dia tsy miasa ry lerony. Ka rariny ihany raha nampanasan-dRavalomanana vodin'omby vavy be ronono (hitako tatsy @ comment ao amin’ny blaogin’i Jentilisa lol), tena asa fanompoam-pirenena izany! Moa ka tsy izany va?
Ny miaramila, zandaro sy polisy dia karamain'ny firenena nefa maro amin’izy ireo no miasa akory, mba mandehana ange amin'ireny tobin'ny tafika ireny raha te-hahita, TSY MANOMPO FIRENENA... Koa NDAO HAMPIASAINA RY MALGASY FA KARAMAINTSIKA ANGE IREO E!!! Volabe ange no lany andoavana ny karaman’ireo e!!!
Izaho miteny izany dia mahalala tsara. Manana anadahy roa ao amin’ny tafika, ny iray zandary, be karama ery sady mahazo karama ambony ampanga (prime), mandeha any amin’ny faritra rehetra any, manenjika dahalo, mandao vady aman-janaka matetika (mpanompo firenena tsara hoy aho, deraiko ery); ny iray kosa mianatra ho miaramila baraingo, fa raha nanontaniako izy hoe, “Mba inona re no antony nidiranao ho miaramila, nefa ny rainao aza tao no niala, no sady nanafatrafatra ery hoe tsy tiako ho ao amin'ny tafika ny zanako?” Ny valiny? “Ka be sôsy be, tsy mila miasa be akory, sady manao fitafiana ohatra ny an’i Rambo no jeren’ny sipa isaky ny mivoaka, mahazo fisondroan-dronono ohatra an-dRabaina rehefa antitra, avenir assuré tsy ohatry ny anareo miasa an-tselika etsy sy eroa, 'zaho 'ndray tsy handeha handany andro eny Ankatso avy eo ho lasa tsy an’asa be diplaoma boritra be”.
Inona no navaliko? "Hay va re! Mba jereo ihany ny tombontsoan'ity firenena na dia iznay aza."
Asakasaky ny Malagasy tsirairay aloha fa volam-panjakana no anakaramana ny tafika, ka raha hanampy olona hanongam-panjakana sy hiteraka korontana eto amin'ny firenena no ataony, tsy manao ny asany izy izany.
Politika | Hevitra (3) | Hametraka hevitra
11/23,2009
Antso avo: omeo tànana
Miarahaba ny mpitoraka bolongana rehetra.
Misy tetikasa iray ataona fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin'ny fanjakana, mizara solosaina XO ho an'ny ankizy mpianatra eto Madagasikara, ao anatin'ilay tetik'asa "solosaina iray isaky ny ankizy". Efa misy solosaina tonga aty Madagasikara ary efa maro ny ankizy no nahazo ny anjarany. http://olpc-france.org/blog/2009/08/
Irin'ireo tompon'andraikitra momba izany hadika amin'ny teny gasy iray manontolo (na izay rehetra azo adika) ny mombamomba ilay solosaina sy ny rindran'asa rehetra ao anatiny.
Tsy terena ny fandraisana anjara, fa izay mazoto ka mba manam-potoana dia iangaviana mba hanome tànana, na fehezanteny iray isan'andro aza no vitany dia efa asa soa fitsimbinana ny ankizy mpianatra Malagasy izay.
Raha te-hisoratra anarana dia tsindrio ny rohy: http://translate.sugarlabs.org/register.html
Raha te-handray anjara amin'ny fandikan-teny dia tsindrio ny rohy: http://translate.sugarlabs.org/mg
Teny anglisy no teny iaingana, ary tsy sarotra ho an'izay efa zatra mampiasa sy mandre voambolana momba ny informatika izany.
Isaorana mialoha ny mpandray anjara rehetra na ny havitrika na ny hiserantserana.
Ankapobeny | Hevitra (7) | Hametraka hevitra
10/27,2009
Te-hiteny fotsiny hoe: "milay be!"
Manahoana ny mpitoraka bolongana rehetra.
Tsy hitako izay hanontaniana dia aleo eto no manontany:
Izay mahalala fiten-jatovo hafa ilazana ny toy ny hoe "Milay!", "reveko", "manja", "any zany!" sns , maro be izy any fa tsy tadidy moa koa ny tena tsy zatovo intsony hihihi "manadala be", "lafatra e!" "matsiro hoa", "tena ...", raha mihinan-javatra le olona.
Misaotra mialoha.